TOY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOY




Toy ny voninkazo
'zay mety malazo
ny fitiavako anao
ka ambarambarao.




Toy ny domohina
'zay mety soloina :
avela eo no ho eo
fa niharatsy feo.




Toy ny korana
izay mety fafana,
ka lasa nahakivy
no feno voangivy.




Toy ny tantara
manam-piafara
izay ela ny ela
ka tsisy tavela.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1195 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119