You are here: home > Vetso

TOY NY FITARATRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






TOY NY FITARATRA





Ny fiainana toy ny fitaratra
raha itsikiana, miverina aminao,
tadidio etoana rehefa hanakatra
ny marina ery manomboka izao.




Ny fiainana toy ny fitaratra
ra' itomaniana, miverina aminao,
tsy hisy farany 'reo oram-baratra
fa mainka hamonto irony raorao.




Ny fiainana, toy ny fitaratra
raha itiavana, miverina aminao,
na aiza na aiza no handahatra
an'izany ombieny ka ambarao.




Ny fiainana, toy ny fitaratra
raha esoina, miverina aminao,
ho maivana foana ny hiraratra
fa mainka hofosain'ny kalalao.




Fredy JAOFERA