You are here: home > Vetso

TRATRA AORIANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



TRATRA AORIANA





Tratra aoriana
'tony fitiavany
tsy mahaliana
fa efa ravany !




Tratra aoriana
ny tolo-tanany
mba ela nirina
fa tsy zanany.




Tratra aoriana
ny famonjeny
izay notakina
fa nohoseny.




Tratra aoriana
ny vahaolany
mahavariana
fa dia olany...




Fredy JAOFERA