TSARA IVELANY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSARA IVELANY




Tsara ivelany
fa ratsy anatiny
ny soa navelany
sy toa narantiny.



Tsara ivelany
fa ratsy anatiny
izay, hoe, felany
toa voafantiny.



Ka ento any
fa tsy dia ilaiko,
na meva ihany
sy tian’ny saiko.



Ka mba ravao
no fiangaviana
fa tsy toy izao
no mbola irina.



Ka ongoty re
fa tsisy dikany,
na efa mandeha
fa misy bikany.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
1662 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111