TSIMIHORIRANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIMIHORIRANA





Tsy naniry ny ho tsimihorirana
‘reny vehivavy mivoaka amin’ny alina
fa very toky sy tsisy ifikirana
raha mijorojoro sy toa resy lalina !



Tsisy mahalala ny zava-nanjo
nahatonga azy mbola hivaro-tena,
ka aza tsinina, hoy re ny fo,
fa tsy fidiny azy ny ho mahonena !



Aza latsaina mafy dia mafy
na haratsina vao tazan’ny maso
fa efa ela no indro nihafy
sy be sentosento na koa ranomaso.



Ampio, ry zareo, ny hiova
raha namana tsy tia irony asany
fa aza avela ny handova
‘reny zava-nanimba ny lasany !






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1156 0
Commentaires
rhina ( 28/09/2009 11:51)
tena mampalaelo tokoa izy reny.
lahimoraman ( 07/10/2009 08:47)
mahafinaritra ny olona mahay mitsinjo sy mahatakatra ny fahasahirana ny hafa
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 17/09/2009 21:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121