TSIRAIRAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIRAIRAY


Ny sedra tsirairay
dia lesom-pahendrena
hamelona amin'izay
'reo hiakam-pandresena.



Ny jaly tsirairay
dia fianaran-tsarobidy
hanolo ireo sakay
hampipoitra ireo safidy.



Ny ady tsirairay
dia tolona mahomby,
na nisy nahamay,
ho ngeza toy ny omby.



Ny rava tsirairay
dia toky mahavanona
hampiorina indray
ireny lasa tsy nijanona.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1023 1
Fans: jock
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114