TSY AN'IALAHY IRERY !... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AN’IALAHY IRERY !….






Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na hanampatra hery,
hampizarazara !



Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na mitaditady hanery
ny ho hendry tsara.



Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na mafy sy tsy miery
ny toky ka niafara…



Tsy an’ialahy irery
i Madagasikara,
na maro be mpijery
sy voakarakara.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 22/10/2009 21:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069