TSY HO AZONAO AN-TSAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO AZONAO AN-TSAINA




Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hotantaraina
ny mafy izay nianjady,
tsy mba nahatomady.



Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hotanisaina
fa ho hevi-diso ihany
no hasesikao hatrany !



Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hodradraina
ka mora ho naneso
sy toa nahay nibeso.



Tsy ho azonao an-tsaina,
na indro hozaraina
fa tsy mbola nanjo
ny nitranga sy ny to.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : manokana - fiainana - Aingam-panahy
1242 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121