TSY KILALAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY KILALAO






Tsy kilalao
ny fiainam-pirenena
ka zahao
fa ny misy re tsy ekena.




Tsy kilalao
ny fijaliam-bahoaka
ka vahao
fa aza mandry te hanoaka.




Tsy kilalao
‘reo hetaheta maro
ka vitao
fa kabary lava feno laro !




Tsy kilalao
ny toky izay nambara
ka araho
fa ho an’i Madagasikara.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1039 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 26/01/2010 11:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147