TSY MAHAY MANOME (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MAHAY MANOME





Tsy mahay manome
ny olona ampiana
fa maneso aza re
rehefa nihafiana.




Tsy mahay manome
'reo nizarana fitia
fa mandatsa ange
rehefa miriaria.




Tsy mahay manome
'reo tojo fiadanana
fa toa mihomehy
rehefa manana !




Tsy mahay manome
'reo nomena mamy
fa vao ny handeha
dia vava no tamy.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
596 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0183