TSY MANAM-PAHATAPERANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Zao fiainantsika izao
dia efa nisy fiandohana ;
koa na inona ary atao,
mbola hisy fiafarana !



'Rony tanjona rehetra,
feno tsiky sesehena ;
dia tsarovy misy fetra,
na mamiratra jerena.



'Rony sedra nanadala
mbola nampitrapitra,
fantaro eto fa hiala
na mety koa ho ritra.



Fa 'lay fitia natolotro
ho anao irery ihany,
tsy sanatria imolotro
fa miredareda hatrany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1351 1
Mpakafy: booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127