TSY MANAN-KATEZERANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MANAN-KATEZERANA





Tsy manan-katezerana
ny manam-pahendrena
raha olom-piheverana
mahazaka ny mivena.




Tsy manan-katezerana
'zay manam-pitiavana
fa indro maka toerana
dia mangina, rahavana.




Tsy manan-katezerana
'zay manam-piravoana,
na mivimbina fitserana
sy voan'ny fandotoana.




Tsy manan-katezerana
'zay manan-piadanana
raha te ho fanaperana
mitandro fihavanana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
868 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121