TSY MATY MANOTA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MATY MANOTA





Tsy maty manota
ka sahiran-tsaina ;
tohizo ny ho bota
fa misy antenaina.




Tsy maty manota
ka tonga manahy
fa ny lasa tsy rota
matoa tsy voatahy.




Tsy maty manota
ka mijaly ny tany
fa be 'reo sotasota
mandreraka izany.




Tsy maty manota
ka toa mivaralila ;
itsoahako fa hota
raha mba tsy mila.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
757 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121