TSY MATY MANOTA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
TSY MATY MANOTA
Tsy maty manota
ka sahiran-tsaina ;
tohizo ny ho bota
fa misy antenaina.
Tsy maty manota
ka tonga manahy
fa ny lasa tsy rota
matoa tsy voatahy.
Tsy maty manota
ka mijaly ny tany
fa be 'reo sotasota
mandreraka izany.
Tsy maty manota
ka toa mivaralila ;
itsoahako fa hota
raha mba tsy mila.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Aingam-panahy, embona, Eritreritra mandalo, Fampaherezana, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina, Fiononana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/12/2021
Mpamangy : 265
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MAFY TORIMASOMIANARA
OMEO
AM-PITIAVANA
REHEFA TSARA IANAO
INDRAY LOHATAONA
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO