TSY METY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY METY






Tsy mety mitovy,
n'oviana n'oviana
ny karaoty sy ovy,
na samy mba tiana.




Tsy mety sahala
ny saka sy alika,
na samy mahalala
fa biby arontsika.




Tsy mety iray dia
ny raozy sy lisy,
na samy mangia
no zavatra misy.




Tsy mety iray feo
ny fody sy vintsy,
na samy vorona eo
no mihira mihitsy.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1082 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0109