You are here: home > Vetso

TSY MIRINDRA NY TONTOLO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY MIRINDRA NY TONTOLO





Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy ampiarahana,
na satry aza hikolokolo
ny voady nivavahana.




Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy mitovy saina,
na samy manana daholo
ny soa fa tsy zaraina !




Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy miombim-po,
na tanjona zary bontolo
ny hamboly fitia tena to.




Tsy mirindra ny tontolo
rehefa tsy miara-milanja
ny adidy efa ho im-polo
vao hita monja ny fanja.




Fredy JAOFERA