TSY MISY FIADANANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY FIADANANA





Tsy misy fiadanana
ho an'ny ratsy fanahy ;
tsy misy fihavanana
ka andosirako, lahy !




Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpangalatra,
na aiza, ananganana
nofy be tonga lafatra.




Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpandainga
tsy hay nosakanana,
na mahavadi-bainga.




Tsy misy fiadanana
ho an'ny mpandrava
ka aoka hofaranana
fa resa-be lalandava.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/02/2021 12:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145