TSY MIVERINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MIVERINA






Nisy izay niarahana tsy hay ny nampivoatra,
nisy izay natao tsy mba nahay nanararaotra,
ka nahoana àry re no mitady na hoe mila
hamerina indray ny andro lasa sy ny kila ?



Nisy itony dina tsy nahay nambabo ombieny,
nisy itony voady tsy mba nahay nisaotra teny,
ka nahoana àry izao mandatsa-dranomaso
mipepopepo lava mikiaka hoe : Andraso !



Nisy itony tsiky tsy mba nahay nisangisangy,
nisy itony hira tsy mba nahay nanambitamby,
ka nahoana àry re no maloka eto hatrany ?
Moa ve fahadisoako sa noho ianao ihany ?



Nisy voninkazo tsy mba nahay nanolokolo,
nisy rehareha toa tsy tiana…Bobongolo !
ka nahoana àry izao no milaza miverena
rehefa nozonina sy tsapa ho nohosena ?





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
639 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 31/01/2009 00:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149