You are here: home > Vetso

TSY NILANA MIARAMILA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY NILANA MIARAMILA





Tsy nilana miaramila
ny fitakiam-bahoaka
fa ianareo no nitanila
ka nisy izay nipoaka.




Tsy nilana miaramila
ny zavatra tadiavina,
na nilaza ho tsy mila
fa toa hevi-dravina.




Tsy nilana miaramila
ny porofo maromaro
fa mainka nampibila
'zay asa ka fantaro !




Tsy nilana miaramila
ny tena fahamarinana
fa tanjona tsy ho kila
mitandro filaminana.




Fredy JAOFERA






Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 07/01/2019
Mpamangy : 666
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NAHOANA NY VARY ?
MAHAVERY
ELA NOTORATORAHANA
MISY
MAHATSARA
HAHITA ANAO
IZY DIA NIHEVITRA
NOELY MATSIRO
ASIO KELY
TAPAKA