You are here: home > Vetso

TSY NY DONAK'AFO... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


TSY NY DONAK’AFO…





Tsy ny donak’afo
no maha-tokantrano
fa ny fitiavana
‘zay zavatra lafo
sy nampiana tsodrano
hampihavana.



Tsy ny donak’afo
no maha-te hipetraka
fa ny toe-tsaina,
na manana tafo
tsy mba mahaketraka
sy andrandraina.



Tsy ny donak’afo
no manome haravoana
fa ny fanahy
izay sady sakafo
tsy ilana ihamboana
matetika, lahy !





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha