TSY NY FITIAVAN-TENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NY FITIAVAN-TENA




Tsy ny fitiavan-tena
no ilain'ny firenena
raha tiana ho tafita
sy hanan-java-bita.



Tsy ny fitiavan-tseza
raha mainka mideza
ny diavina izaitsizy
sy ao anaty krizy !



Tsy ny fitiavam-bola
itolomana sy mbola
tompoina lalandava
hahamirana ny tava.



Fa ny firaisan-kina
no tsara hotakina
hanjaka eny foana
isaky ny mihaona !



Ny Fahamarinana
hany fanambinana
hahavonjy antsika
hipoitra feno hiaka.



Ny Fifankatiavana,
tsy kely fa goavana
hampiadana tokoa
raha te hahazo soa.



'Reo Fifandeferana
mba hanan-toerana
no nofin'ny vahoaka
efa ela tsy nivoaka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1142 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012