TSY NY HATSARAN-TAREHY... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NY HATSARAN-TAREHY…



Tsy ny hatsaran-tarehy
no tena zava-dehibe
fa ny hatsaram-panahy
ho an’ireo ‘zay manahy.



Tsy ny hatsaran-tarehy
no ilaina ho fatratra re
fa ny hatsaram-pisainana
lavitry ireo fitarainana.



Tsy ny hatsaran-tarehy
no tokony hezahina be
fa ny hatsaram-pahaizana,
rehefa tsy tiana hanaizana.



Tsy ny hatsaran-tarehy
no antoka lava sy handeha
fa ny hatsaram-piezahana
tsy mbola hita mibahana.





Fredy JAOFERA


.
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
2329 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117