TSY NY SISASISAM-BOLA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NY SISASISAM-BOLA…






Tsy ny sisasisam-bola
no ataoko rakitra,
ry Tompo be fitia,
fa ny mety sy ny mbola
mahay mandrafitra
ny marina ho doria.




Tsy ny sisasisam-bola
no ataoko saotra
ho voninahitrao
fa izay voavolavola,
na ho tafahoatra
no mba latsaka ao !




Tsy ny sisasisam-bola
no ataoko sitraka
sy vokatry ny fo
fa ny masina tsy tola
lavitry ny fitaka
sady manan-jo !






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fiderana
1448 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117