TSY RAHAMPITSO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RAHAMPITSO






Tsy rahampitso no ho tonga
‘zay hahasambatra ny taniko,
raha maromaro no tsy donga
sy misento lava ka tomaniko.



Tsy rahampitso no hiseho
‘zay hampiova ny hakiviany
raha izao foana avia, jereo
no fiaimpiainana ihafiany.



Tsy rahampitso no hitranga
‘zay hampivoatra marimarina
raha eny ihany fa tsy manga
ny disadisa mampivarina.



Tsy rahampitso no hipoitra
‘zay hahasoa an’ny vahoaka
raha tsy misy izay mizotra
‘reo kabary izay mivoaka.







Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1323 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111