TSY RESA-PITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RESA-PITIAVANA







Matoa aho tsy te ho any,
na singany aok’izany,
na maloka sy ory
sy tsy mahita tory
dia tsarovy lalandava,
aoka mihitsy hazava
fa tsy resa-pitiavana
fa efa finiavana !




Matoa aho tsy tamana
sady mila tsy hafana,
nanjary te handeha,
na nitsiky ihany ange
dia ataovy ao an-tsaina
fa misy tsy hay zakaina
ny vita sy nambarany
ka tonga nisy farany !




Matoa aho tsy mamangy
na tsapa hoe : nisangy
dia tsarovy mandramaty,
ataovy dina ka soraty
fa ny taiza no nibaiko,
nanakana ny saiko,
nanosika ny anio
tsy ho any, tadidio.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1393 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122