TSY VITAN'NY VAVA (2) (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VITAN'NY VAVA





Tsy vitan'ny vava
ny asa tsy tratra
ka dia mandrava
f'efa mahazatra.




Tsy vitan'ny vava
ny adidy mitranga
ka dia manazava
tsy ho be kinanga.




Tsy vitan'ny vava
ny andraikitra eto
ka toa manalava
ny ahiahy, raketo.




Tsy vitan'ny vava
'reo zava-mazana
ka izay lalandava,
lasa fahavoazana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
552 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115