You are here: home > Vetso

TSY ZAKA NY MARINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSY ZAKA NY MARINA





Tsy zaka ny Marina
dia avoaka ny tafika
fa tsy tiana hitarina
ka indro manafika.




Tsy zaka ny Marina
dia tsy avela hijoro,
na inty tsy tafarina
ny tany fa mikoro.




Tsy zaka ny Marina
dia tsy avela hiteny
ny mponina fanina
sy noana ombieny.




Tsy zaka ny Marina
dia ambara fa lainga
'zay hoe nangalarina
vao indro nanainga.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha