'TY FIAINANA ITY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'TY FIAINANA ITY





'Ty fiainana ity
dia tsy tiako
raha tsisy anao,
na misy dihy
sy fifaliako
ary be atao.




'Ty fiainana ity
dia tsy ilaiko
raha tsisy anao,
na hitako fy
sy antenaiko
ka anjakao.




'Ty fiainana ity
dia tsy tsara
raha tsisy anao,
na mankaty
manambara
zava-baovao.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1023 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112