You are here: home > Vetso

VAKIBOKY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




VAKIBOKY





Ny vakiboky, varavarana
manokatra eto ny tontolo
hahazoana fampianarana
mampiova anao daholo.




Ny vakiboky, ranomasina
tetezan'ny onjam-piainana
tsaroana ho manan-kasina
sy mahatsara ny fisainana.




Ny vakiboky, fialam-boly
azo ambara mahafinaritra
tsy, sanatria, mamolivoly
no tsetsatsetsa tsy aritra !




Ny vakiboky, fahazavana,
na rahoviana na rahoviana ;
mahay mitory fahagagana
feno harena am-pitoniana.




Fredy JAOFERA


Hevitra mandeha

ntmsskalove (23/04/2022 17:49:31)

tsara be 'lay izy, mahafinaritra