VAO... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAO...




Vao pirina kely eny an-dranomasina
dia efa mihevitra ho manan-kasina,
midedaka ho trozona iray makadiry
nefa dia trondro tsy ilaina firy !



Vao vitsika kely ery amin'ny tany
dia efa manambony sy manambany,
mihambo ny tena ho olona tsara
kanefa ny saina toa maramara.



Vao ravina kely eny amin'ny hazo
dia efa miseko fa mbola tsy halazo,
manava-tena fa mbola tsy hihintsana
nefa dia maivana, tsy mikorintsana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
753 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111