VAO AVY NY MARAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAO AVY NY MARAINA





Vao avy ny maraina
dia mivavaha aloha
mba izay antenaina
no hipoitra avokoa.




Vao avy ny maraina
dia mifalia ombieny,
esory ny adin-tsaina
nanary teny ho eny.




Vao avy ny maraina,
ataovy izay mba asa
tsy hisy izay taraina
fa maro izay kinasa.




Vao avy ny maraina
dia mazotoa hatrany
mba tsy hiferitr'aina
fa hatoky 'zato tany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
676 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119