VERY ANDRO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
VERY ANDRO
Very andro nanaratsy
fa marary ery ny lasa
ka tsy nitady hamatsy
ny soa sy izay kinasa.
Very andro nanakiky
ny zara izay nitranga
ka nandrava ny tsiky
ho lanitra tsy manga.
Very andro nanamafy
ny gidragidra hatrany
ka tsy mba nampitafy
ny tena toky sesilany.
Very andro nanakely
ny tena izay kamboty
ka tsy hita ho modely
vao ory niantso avoty.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 15/09/2021
Mpamangy : 180
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MANDOKONA EO AZA...
TSY MANDEHA
ITOKIANA
MILA FAHARETANA
FIRENENA INONA ?
HARENDRINA HAZAVAO !
ALEO KOKOA
HONTSA LAVA
TSY AMINAO