VOAN'NY FANESOANA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
VOAN'NY FANESOANA
Ireo izay mijaly,
voan'ny fanesoana
raha tsy mamaly
eto am-piravoana.
Ireo olom-bery,
voan'ny fanesoana
raha tsy mijery
ny tsara hirosoana.
Ireo olon-dresy,
voan'ny fanesoana
raha toa misesy
'tony fanompoana.
Ireo olo-maina,
voan'ny fanesoana
raha karakaina
ny tany nisekoana.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/04/2022
Mpamangy : 88
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ITOKIANAMILA FAHARETANA
FIRENENA INONA ?
HARENDRINA HAZAVAO !
ALEO KOKOA
HONTSA LAVA
TSY AMINAO
ANDRAIKITRA
MIAFINA
MANOVA TENY