VOKATRY NY FANAHY (2) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOKATRY NY FANAHY Vokatry ny fanahy
dia fitiavana
tsy ahitana ahiahy
fa finiavana.
Vokatry ny fanahy
dia fiadanana
mahafinaritra, lahy,
ka iompanana.
Vokatry ny fanahy
dia hafaliana
mbola indro miahy,
na rahoviana ?
Vokatry ny fanahy,
fahamarinana
ka manolotra ahy
fanambinana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana