You are here: home > Vetso

VOLA NY FOTOANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





VOLA NY FOTOANA





Vola ny fotoana
ka tsinjovy
fa marina foana
ka tsarovy.




Vola ny fotoana
ka ampiasao
ho babangoana
ny tsisy atao.




Vola ny fotoana
ka mikiriza
vao manoloana,
ry olon'iza !




Vola ny fotoana
ka mazotoa
tsy hampivoana
an'izay tokoa.





Fredy JAOFERA