You are here: home > Vetso

VORO-NANIDINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



VORO-NANIDINA





Voro-nanidina
tsy hay takarina
no mody midina
kely eto marina.




Voro-nanidina
sarotra averina
fa manodidina,
manerinerina.




Voro-nanidina
nohamaivanina
toy ny angidina
mahavalalanina.




Voro-nanidina
tsy nahazo fitia
fa nitsingidina
vao nanova dia.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha