VORONA AMBONIN'NY HAZO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vorona ambonin'ny hazo
no tadiaviny hasiana sira
ka tsy takany ny hahazo
itony tanjona lasa arira.



Vorona ambonin'ny hazo
no lazainy fa eo an-tanany
ka ny vina rehetra, topazo
fa nanimba ny fiadanany.



Vorona ambonin'ny hazo
no nambarany fa matsiro
ka ny hadalany re, tatazo
ary aza ekena sy halaviro.



Vorona ambonin'ny hazo
no tiany haroso antsika
ka jereo fa dia very vazo
sy tonga olona masiaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.066