You are here: home > Vetso

ZANA-DRAFY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


ZANA-DRAFY





Zana-drafy
ka nihafihafy,
navelavela teny
ho sisasisan-dreny.




Zana-drafy
ka natafitafy
sento sy tomany
tsy hahita akany.




Zana-drafy
ka nafafifafy
fosafosa foana
isaky ny mihaona.




Zana-drafy
ka mafimafy
ny latsalatsa azo
namoaboaka tazo !







Fredy JAOFERA




Sokajy : Fianakaviana

Hevitra mandeha

pissoa (12/02/2008 21:07:23)

Eeee !

3004 (14/02/2008 13:26:09)

ahoana moa ny adiresy e_mail-nao fa tsy fantatro e !

Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha