ZANAKY NY RAY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAKY NY RAY





Mpaminany maro
no mbola nanambara
fa ho avy ilay Mesia
hatry ny ela ka hiaro
ny fizotran'ny tantara
mambomba ilay fitia.




Avy ao Betlehema
no hafatry ny anjely,
antsoina hoe : Jesoa ;
tsy manan-diadema
fa Mpanjakan'Israely
tsy manam-paharoa.




Hitondra fahazavana
fa dia zanaky ny Ray
ho ohatra eto an-tany
hamoha ny famelana
mba hamiratra indray
ny ondry tsy hita lany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1080 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116