You are here: home > Vetso

TSIPALOTRO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




TSIPALOTRO





Tsipalotro izy omaly
fa dia tsy nahita
ka ny ainga voakaly,
tonga dia vita !





Tsipalotro izy omaly
fa tsy nahalala ;
ny fo anefa dia faly
mandra-piala !




Tsipalotro izy omaly
fa tsy tafaraka,
izahay moa voangaly,
na aty tararaka.




Tsipalotro izy omaly
fa tsy nihaona ;
venteso kely antsaly
tsy re miraona.




Fredy JAOFERA