You are here: home > Vetso

Ifonako - FX Mahah

Azo vakiana?

Ifonako ny lasa, nigohona tomany
Ifonako ny hoavy tsy afaka ny tany
Ny fiarahantsika
Ifonako ny ora niarahana nifaly
Kinanjo ankehitriny totofan'ny molaly
Zary nangatsiaka

Ifonako ny teny nataoko tsy tsaroana
Kinanjo toa fandratra
Nandona sy nandratra
Ny alahelonao
Ifonako ny vava tsy namoaka teny mamy
Na efa takatro aza fa ianao dia miandry izany
Omaly sy hatr'izao

Ifonako ny tsara sy aloka mazàna
Voaraikitra an-diary niarahana nitana
Fotoana vetivety
Ifonako ny lasa nikiry nampitaha
Ny endrikao malala tany an-tsaha
Ka hita fa tsy mety

Ifonako ny volo niniako nasaritaka
Hahitako ny endrikao, ny hafaliana nisitaka
Nijery ny hanjola
Ifonako aminao izay mety hadisoako
Ka iangaviako Sady hamerina ny ato am-poko
Ilay fitia tsy tola
        
            FX mahah

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

z'andrygasy (19/06/2015 14:47:44)

Ialan-tsiny amin'izay mety ho fahadisoana satria nohenoina t@ télé izy ity fa Mahafinaritra ka nampidiriko

Mombamomba

Mpanoratra : FX Mahah

Nampiditra : z'andrygasy
Daty : 19/06/2015
Mpamangy : 931
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

ARAHABA