You are here: home > Vetso

MIOVAOVA NY TAONA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MIOVAOVA NY TAONA





Miovaova ny taona
fa tsy ny fitiavako
toy ny voamboana
sy jiron'ny tavako.




Miovaova ny taona
fa tsy ny tokintsika
mihamatotra foana
raha toa azo adika.




Miovaova ny taona
fa tsy ny voambara
'zay antoka moana
nampety ny anjara.




Miovaova ny taona
fa tsy ny fiadanana
nahay nampihaona
ka aleoko faranana.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha