Any Akodaoda no Tanànanay (fyFy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any Akodaoda no TanànanayAny Akodaoda no tanànanay,
Mitsiky ny kintana, mihira ny lanitra.
Mitempo amin-kira ny feon’ny rivotra,
Miara-mitsiky amin’ny sombintsira.
Any Akodaoda, zary paradisa,
Ny hazo maniry, miloko voarindra.
Mitsingevana ao anaty fo sy saina,
Ny fitia sy hafaliana tsy ritra.
Ny rano madio mikoriana manja,
Toy ny lalan’ny fiainana madio sy mamy.
Ny olona tia fihavanana fatratra,
Mampiray ny fo, manadino ny tomany.
Ao no nitaiza, ao no nahalehibe,
Tanàna feno tantara sy fitiavana.
Na lavitra aza, ao no irina hiverenana,
Fa any Akodaoda no fonay sy fanahy.
Veloma vetivety, mbola ihaona hitodihidoa
iverina indray
Mpanoratra fyfy
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Fitiavana
