Marary i Gasikara (Gasy Tia Tanindrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
[i]Ity tononkalo ity dia nalefan'olona taty amiko. Gasy Tia Tanindrazana no anarana nentiny tao amin'ny tononkalo. [/i]

I – Moa mba fantatrao ve ?
F’efa ho taona vitsy lasa izao,
No indro tsy afaka mandeh’,
N’inon’inona atao
‘ty Gasikarantsika
Fa marary dia marary hono
A retim-politika,
Zay tena mila hamono.

II – Notsaboina teto an-toerana
Fa tsy nety sitrana
Tsy manam-pahatamperana
Ny haratsiam-bitana
Ady an-trano sesilany
No hita etsy sy eroa.
Henatra maneran-tany
Tsy manam-paharoa.

III – Tsy afaka hifanaraka hono ?
Tsy marina izany !
Nifanaraka daholo,
Ny zanaky ny tany
Afatsy olona iray
Izay tena mahonena
Fa tsy afak’hifandray,
Amin’ny olom-pirenena.

IV – Notsaboina tany ivelany
Fa nihombo ny aretina
Efa tsy nahaleo ny tenany
Ka tany « Maputo » no nentina
Nifanaiky marin-drano
Ka dia nanao sonia.
Nony tonga tany an–trano ,
Nisy iray indray nania.

V – Gag’izao totontolo izao
Sanganehana ny iraisam-pirenena
Fa tsy mbola nisy toy izao.
Voasonia nefa tsy nekena
Moa mba fantany moa izay ataony ?
Sa mbola zaza loatra ?
Ka i Gasikara no kilalaony ?
Tena mampite hitroatra !

VI – Malagasy iray malaza,
Voatendry iraisam-pirenena,
Andriamatoa Mangalaza
Nefa indro tsy nekena.
Olon-kafa ts’isy mpahalala,
No natao tery vaimanta
Hitondra na tsy mahalala
Ny atao hoe governemanta.

VII – Olona iray manandanja
Mihoatra ny iraisam-pirenena,
Mandidy sy mifaly havanja
Manjaka ny faneriterena.
Manam-pahefana mihoatra
Noho ny malagasy rehetra
Manendry olona maro be loatra
Handray tombo-tsoa tsy voafetra.

VIII – Fa avy aiza hono ny heriny ?
Taoko ty tsy voafidim-bahoaka
Ny feo izay manohitra notaperiny
Fa ny feom-basy no napoaka
Ny miaramila no ianteherany
Nomeny izay rehetr’ilainy.
Fa ny fahefam-bahoaka noferany
Tsy mahazo izay mba kely nantenainy.

IX – Ny miaramila hatrany hatrany
No vahaolan’ny zava-drehetra.
Raha misy mba te hanontany,
Ny harem-pirenena na ny hetra,
Io ny miaramila fa hisambotra
Raha mba mitaky ny vahoaka
Milamina, ts’isy ratra na rangotra,
Io ny « lakrimozena » fa mipoaka !

X – Notsaboina teto an-toerana indray
Fa tena mafy ny aretina hono,
Nivondrona mba tena ho iray
Ny malagasy tsy vaky volo.
Teraka ny « Tondrozotra »,
Raikitra indray ny sonia.
Ny manatanterak’anio dia tsotra
Saingy misy hatrany ny minia,

XI – Mandà zay efa nosoaviny,
Ka misankana ny gasy tsy hody
Tsy mahafantatra zay tokony ho laviny
Manohitra ny tena fanafody
Hahasitrana an’ity Gasikara
Hahazoana ny tena fankatoavana.
Ny fanjakana voarafitra tsara
Hahazoana fanampiana ho an’ny havana


X II – Marary i Madagasikara
A retina saro-tsaboina
Hoy ny mpitsabo mitantara
Fa maro tokoa ny nantsoina.
Fa raha ny marina no ambarany,
Ny aretina dia fantatra tsara :
« Rajoelinita » hono no anarany
Fa saingy tsy tiana hambara

XIII – Ny fanafody dia misy tokoa
Fa saingy tsy tiana homena
Tanteraho malaky avokoa
Ireo fifanarahana efa nekena.
Avelao hody zay te hody
Hilatsaka zay te hilatsaka
Fa izany no tena fanafody
Andrasan’ny olona fatratra.

XIV – Fa raha olona tokana ihany
No hisafidy ny olona ho fidina
Inona no dikan’izany ?
Tsy aleo tsy mifidy fa mangina ?
Avelao hilatsaka Ravalo,
Avelao ny vahoaka hitsara
Rah’izy tokoa no fahavalo
Mamparary an’ity Gasikara.

Gasy Tia Tanindrazana
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
2111 1
Mpakafy: tsivoha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Gasy Tia Tanindrazana
Nampiditra : hery
Daty : 16/07/2012 08:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014