Malala (ghostmen)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala!
Tsy haiko zay ho lazaina ,
fa ny foko toa me karakaina,
Lavitra anao, nefa atao ahona,
mihezaka ny tsy ho lao.
Malala!
Ianao no nofinidiko,
ka tsy tiako hariana.
Na maro aza ireo fahoriana,
na mafy aza ireo fijaliana.
Malala!
Tsarovy fa ianao no efa ao am_poko;
Ireo fitiavako efa nokoloiko
ny foko anie Ho anao,
Na lavitra aza enao, Ny fitiavako tsy ho rava.
Malala !
Natokako ho anao ity foko mitalaho,
raha toa ka azo hatao.
Manantena ny fitiavanao anie aho.
na aiza na aiza nefa misy anao;
ny fitiavako tsy ho faty na hoiviana na hoaviana.
Ianao no efa safidiko hatrizay sy reharehako.

malala a! malalako enao..
--------
Rohy:
2323 1
Hevitra mandeha
ophelia ( 26/05/2005 15:46)
Toa tsy dia mifandraika loatra amin'ilay votoatin'ilay tononkalo ilay lohateny raha ny fijeriko azy aloha.
Ny aingam-panahy ao ihany, indrindra eo amin'ny fitiavana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ghostmen
Nampiditra : ghostmen
Daty : 15/03/2005 12:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096