You are here: home > Vetso

Fitiavana - hajani

Azo vakiana?

Voankazo iray ao anaty ala
Sarotra azo nefa tsy manan-tsahala
Raha tsy mahay dia hidiran'ny kizo
Voky ihany fa maharary kibo

Afo iray manome hafanana
Mafana tokoa ka sarotra hialana
Afo mandoro mihatra aman'aina
Tandremo sao tsy zakan'ny saina

Andro tsara, masoandro mibaliaka
Mirana ny andro ka sambatra isika
Misy ny fotoana ihavian'ny orana
Tandremo ihany fa sao dia torana

Ny fitiavana izany raha lazaina tsotsotra
Tsara tokoa ka aleo mba mihotra
Kanefa aza maika ny mba haazo
Manenina avy eo ka voan'ny tazo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : hajani

Nampiditra : dadatoa
Daty : 04/08/2004
Mpamangy : 2197
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

lavitra
Lavitra
Fitiavana
Avec toi
Seul sans toi
Ecrire
Tu peux...