...KALOINA... (Hajia farany)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olon-tiako farany?
Tiako be ny anarany fa sarotra tononina,
Kanefa miara-monina amin'ny andro rehetra.
Ny olon-tiako farany?
Dia izao tontolo izao hitetezako ny morana,
manangana ahy ho olona fehezina fepetra.

Any ianao malala,
mitondra fahazavana ny fo izay vita sorona,
miendrim-pitolomana mandresy ny herisetra.
Fa ny eto te halala,
dia lasalasa saina sy miezaka mamorona.
Ny olon-tiako farany tsy lavitra azy anefa,
fa iny tara-bolan'ny hiranao poeta!
--------
Rohy:
238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajia farany
Nampiditra : Hajia farany
Daty : 14/04/2022 06:52
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135