Ny fitiavako (Harisaina Ibn MDK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroko akia malala tsika roa taloha
Taminy za nikoty andry voalohany
Tsy nekendry tamin’izany fa nampiandrasana
Niandry tokoa za tena niandry vasoka

Tsy nanome tsiny andry za tamin’ireny
Satria ny fitiavana sitrapo fa tsy antery
Na dia nanantena aza zato foko kely
Niezaka aho nanadino anao tamin’ireny

Za moa tsy naharitra fa niaraka tamin’olonkafa
Mba nanandrana nefa tsy naharitra akory
Tsy oe ratsy izy na oe maditra anefa
Fa ny fitiavako andry tsy mety voafafa
Fa nitoetra tato ampoko lalandava

Nisara toerana tsika satria za handeha hanoy fianarana
Noentiko nanaraka teny foana lay fitiavana
Tsy nety niova loko, niova gadona hafa
Fa dia nitsinjo andry teny lalandava

Afaka taona maro, nody aho tamin’izany
Dia novimbiniko tato ampoko lay fitia
Naveriko notoriana teo ampototsofondry
Tsy nihaotra aho niteny na dia tsy nanantena firy
Fa ho fandavana indray no hasetrindry.

Nefa tsy izay anefa ny zava nisy
Fa noraisindry lay fitiavana naveriko nomena
Nifampizara fitia tsika tamin’izany
Orokoroka sy teny mamy tsy nisy fiafarany

Ny ampitson’iny aho anefa dia andeha hamonjy fianarana
Ka aleo alehelo no nameno ny hariva
Sentosento tsy ankijanona no nandravaka ny alina
Nifanao veloma tsy satry isikaroa

Androany averiko lazaina ihany lay fitiavana
Tiako ianao malala tsy mbola niova lay fitiavana
Ny ho doria ny tanjotsika tsy hisy fetra
Hapiakatra ho vadiko no tarigetrako
Ka eny aminy alitara hifanolotra peratra

Matokisa ndry ilay tiako fa ho hajaiko
Tsy hampirafy za na hamitaka velively
Fa ho lehilahy hitazona ny teny nomeny
Miandrasa akia malala fa mbola hiaona tsika
Aza manahy fa ho tazomiko ho andry ny fitiavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
184 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Harisaina Ibn MDK
Nampiditra : Anatilifah
Daty : 18/07/2024 08:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0711