AZA OMENA   Ray o ! Fant (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA OMENA
 
Ray o !
Fantatrao ny faniriako
Fantatrao izay mba tiako
Fa izao, ry Ray tsitoha
Aza avela hahantra aho na omena harena koa...
  
Sao ho sedra mafy ho ahy ny miaina tsy fisiana
Sao hiteny ratsy aho raha mizaka fahoriana
Sao ho very ilay finoako, hany hery ifaharako
Dia ho levona avokoa izay rehetra nisasarako...
Ka raha azonao atao
Omeo ahy 'zay sitrakao...
  
Fitahiana ny harena vokatry ny asa marina
F'aza dia vokisana aho sao indray tsy ho tafarina
Dia hirehareha fa hoe... vokatry ny herim-poko
'Zay fananana mba ho azo, ary ianao ho hadinoiko
Ka 'zay mety mahasoa
Dia ho raisiko avokoa…

Ka ny vavaka atao
Dia fisaorana ho anao
Noho ianao manampy foana
Na ho voky na ho noana…
 
–– Harylovah Okt 2011
“Zavatra roa loha no angatahako aminao.Aza omena ahy ny alahelo na harena”
––Ohabolana30:7
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Vavaka - fiainana
1486 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 26/01/2016 09:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147