BANJIN'OLONTIANA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy mahay mandanja
Ny maso roa mitopy
raha tsy_izy tompony ihany
Tsy hita mihanjahanja
toa soratra am-balopy
Mihaingo teny mamy...

Izay ilay firehetan'
ny fo mifankatia
Maditra feno tamby
fa sendra mifanentana
ny zotra miara-dia
ka feno manan'amby..

Mibanjina masiaka
sy te hamiravira
ny ao anatinao
Fa ako tsy migiaka
Matsiro tsisy sira
ka tsy ho fantatrao...


Harylovah
--------
Rohy:
1646 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 30/07/2012 10:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147